entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe II

Faritra Vakinankaratra :Asam-pokonolona Alakamisy Ambano

03 Août 2017

asa ambano 2Lalana mirefy 04 Km nampijaly ireo mponina efa an-taonany maro mampitohy ny kaominina Ambano sy Alakamisy Ambano no an-dalam-panamboarana amin'izao fotoana izao. Herim-pon'ny fokonolona amin'ireo kaominina roa ireo tarihin'ireo Miaramila avy amin'ny Service Civique ,tohanan'ny Faritra Vakinankaratra sy ny ONG MATOA no antoka hahavita ity lalana ity.

Tamin'ity andron'ny Alakamisy 03 Aogositra ity dia nidina nijery ny fizotry ny asa ary nankahery ireo vahoaka maherin'ny 1200 ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra. Nanamafy teto ny Lehiben'ny fa izay miasa no mendrika ampiana sy ho tohanana ka teto indrindra ny tenany dia nanolotra vary 03 Kitapo ho sakafon'ireo fokonolona tamin'ity androany ity ary nohamafisiny fa faka hifanomezan-tanana amin'ireto fokonolona ireto ireo fitaovana misy ao amin'ny faritra , toy ny tracteur sy ny fiara vaventy hitaomana ireo katsaoka izay mbola handrakofana ny lalana mialohan'ny hitotoana azy ary marihana fa tsy ity asam-pokonolona etsy Ambano sy Alakmisy Ambano ity ihany no tohanan'ny faritra , fa eo ny asa familian-drano ao Ambohitsimanova , ny asa fanarenana ny lakandrano lehibe sy ny fefiloha etsy Iandratsay . Ampahany ihany ireo fa endrika ho fanomezan-danja sy fifanomezan-tanana amin'ireo vahoaka eny ifotony indrindra fa ireo miasa sy vonona ny handroso izao ataon'ny Faritra Vakinankaratra izao . Hoan'ity lalana asiam-panamboarana ity mampitohy an'Ambano sy Alakamisy Ambano ity dia isan'ny lalana iray mampisokatra ny avokavok'i Vakinankaratra eo amin'ny famokarana legioma sy voankazo

asa ambano 3asa ambano 1asa ambano 4

U. Comm

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation