entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe II

Région Vakinankaratra : Ampitomboina ny tanjaky ny herin'aratra ao Sahanivotry

02 Septembre 2017

sahanivotry 115 Megawatts amin'izao fotoana izaono tanjaky ny herin'aratra vokarin'i Hydelec izay efa lasan'ny Tozzi Green ao Sahanivotry Manandona. Mahatsapa anefa ity orinasa mpamokatra ity fa tsy ampy intsony ny filàana misy eto Madagasikara izany ary indrindra fa hoan'ny eto an-toerana , ka nanapa-kevitra izy ireo ny hampitombo izany hatrany amin'ny 19 ka hatramin'ny 20 Megawatts.

Kendrena ity asa fanitarana ity ho vita any amin'ny taona 2018 , raha ny tafa nandritra ny fihaonan'ny tompon'andraikitry ny Tozzi green tamin'ireo manampahefana avy eto Vakinankaratra omaly Alakamisy 30 Aogositra teto amin'ny biraon'ny Faritra. Ezaka goavana imasoan'ny fitondram-panjakana hoy izy ireo ny fanapariahana ny herin'aratra sy hampitomboana izany eto Madagasikara , ka vonona izy ireo hifanome tànana amin'izany.Mamatsy mivantana ny JIRAMA ny vokatra herinaratra avy Sahanivotry ary hatreto dia mbola mandeha mivantana any Antananarivo ka ny ambiny tsy lany avy ao andrenivohitra no miverina aty Antsirabe. Andrasana kosa ao aorian'ny asa fanitarana ny mba hitomboan'ny anjara herin'aratra hoan'Antsirabe , izay iaraha-mahalala fa manana filàna ambony dia ambony noho ireo orinasa goavana sy maro eto amin'ity renivohitr'i Vakinankaratra ity.

sahanivotry 2sananivotry 3sahanivotry 4

U. COMM

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation