entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/Actualites/min_santé.jpg'

District Betafo

Vakinankaratra :Horohoron-tany

min santéAntsirabe no isan'ny renivohitra lehibe tsy lavitry ny tena ivon'ny horohoron-tany nahery vaika niseho ny marainan'ny 12 janoray tamin'ny 01 ora 06 mn 59.4 s. Raha ny voalazan'ireo manampahaizana dia tany hoany amin'ny 42 Km atsimo andrefan'i Betafo no no voalaza fa niangan'ity tranga voajanahary

nitondra tahotra sy horohoro hoan'ny ankamaroan'ny vahoaka Malagasy ity ary indrindra fa ny taty Vakinankaratra ka fantatra fa nahatratra hatrany amin'ny 5,5 teo amin'ny mari-pandrefesana Richter ny hamafiny.Tranga re faharoa tamin'ity taona 2017 ity io androany io raha ny 02 janoary teo ny voalohany ary tany Toliary, ary tato anatin'ny 30 taona kosa dia ity no tranga nahery vaika faha roa niseho raha ny 21 Avril 1991 no mafy indrindra izay nahtratra ny magnitude 5,6 Richter ka tao Ampamoizankova no voalaza fa ivony tamin'izany. Hatramin'izao ora nanoratana izao dia tsy mbola nisy aloha ny antotan'isa feno mahakasika ny fahavoazana naterak'ity horohoron-tany ny maraina teo ity. Ny tolakandro teo ary dia nidina ifotony nijery ny zava-nisy ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta notarihan'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka izay sady mpiahy an'i Vakinankaratra sy ny Minisitry ny asa ny fanofanana ara-teknika niaraka tamin'ireo manam-pahefana avy aty Vakinankaratra ka nanombohana izany tetsy amin'ny Fonjan'Antsirabe , nitohy tao Betafo izay distrika nisy ny foibeny , ka hoan'ity distrika ity dia fantatra aloha hatreto fa trano iray no rava tao Morafeno ao amin'ny fokontany Bemasoandro , kaominina Manapa, teo ihany koa ireo trano voatery tsy maintsy nialahana nohon'ny fahatahoran'ireo mponina ny mety ho fianjerana. Niverina teto antsirabe ireo manampahefana ireo ka nisy ihany koa ny fitsidina orinasa afa'aba iray "Accord Knits" , orinasa izao mapnao akanjo bà ary mampiasa olona 1350 . Voatery nalefa nody ireo mpiasa nohon'ny faharavan'ny ampahany amin'ny rindrina ,. Ampahany ihany ireo fa tsy vitsy ireo toerana hafa nahitàna fahasimbana sy faharavàna toy ny Biraon'ny Faritra , ireo tranon'olon-tsotra , fiangonana sns. Enina isan'andro no fihetsehana misy eto Madagasikara saingy mbola tsy mahatratra ny ny magnitude 4 richter ka tsy heno , izany hoe rehefa mahatratra io fetra io izany vao toy ireny heno mihetsika ireny ny tany. Andrasana araka izany ny antotan'isa feno mahakasika ity tranga voajanahary ity

                                                                                                                                           U.Comm.

min asatrano simbacotona

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation