entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Betafo

Région Vakinankaratra : Taom-baovao iraisan'ny Malagasy Natomboka teto Betafo

20 Septembre 2017

taom-baovao 1

Natomboka teto amin'ny Distrikan'ny Betafo ny Taom-baovao iraisan'ny malagasy n any "Manako 2017 " notanterahina tao Tsaravavaka Amboniavaratra Betafo, misy ny fasan'ny ANDRIANONITOMPONITANY Mpanjaka teto Vakinankaratra, fasana naorin'ny RADAMA I tamin'ny taona 1800 .

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra Ny Jeneraly RAKOTONARIVO William sy ireo tompon'andraikim-panjakana tany antoerana ary nanasana ihany koa ireo Tangalamena sy Ampanjaka avy any faritra hafa.

Isan’ireny ny Apanjaka avy any amin'ny faritra Menabe ; Matsiatra Ambony, :Amoron'i Mania ;Analanjirofo; ary ny avy ao Analamanga izay solon-tenan'ny Antenimieran'ny Andrina Merina .Nisy arak'izany ny fomba Malagasy notanterahina toy ny fiosoran-tantely ,ny fitsofan-drano ka nofaranana tamin'ny famonoana omby volavita ho nofon-kena mitam-pihavanana izay nahazoan'ny rehetra anjara .Hitohy ny fankalazana manoloana ny Gara ny 22-23-24 Septambra 2017 izay ahitana varotra fampirantiana asan-tanana ary ny hetsika ara-javan-kanto sy kolontsaina maha- malagasy.

taom-baovao 2taom-baovao 3taom-baovao 4
Unite de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation