entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/banners/Faratsiho/IMG_4294.JPG'

District Faratsiho

 «zaza tomady» Fanampin-tsakafo ho an’ny zaza tany Faratsiho

24 fevrier 2017

IMG 4264Mbola avo dia avo hatreto ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka raha ny eto Madagasikara . Fantatra tao ao aorian'ny fanadihadiana nataon'ny ofisy nasionaly momban'ny fanjarian-tsakafo fa ny 30%

n'ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara dia mbola tratran'ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka ary i Vakinankaratra no mitazona ny laharana voalohany amin'izany satria dia mbola mahatratra hatrany amin'ny 60% raha 75% izany ny taona 2015.

Tsy maintsy asiana ny paik'ady sy ny vahaolana maharitra hoy ny Minisitry fahasalam-bahoaka mba hitsinjovana ny zaza Malagasy  ka tafiditra ao anatin'izany ny fanamafisana ny sakafon'ny zaza amin'ny alalan'ny "Zaza Tomady".Raha ny nambaran’ny Minisitry ny fahasalamana ny Profesora  ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana  dia ahitana vitamina karazany 15 sy hery fiarovana maro ity fanampin-tsakafo ho an’ny zaza ity, ary zava-dehibe ihany koa ny fahafatarana ny fampiasana ireo karazana sakafo toy ny voankazo sy ny legioma arakaraky ny lokony avy.

                       Tao amin'ny Distrikan'i Faratsiho no natao ny fampahafantarana ity zaza tomady ity tamin'ny fomba ofisialy eo amin'ny sehatra nasionaly ny zoma 24 Febroary lasa teo . Nandritra ,ireo fandraisam-pitenenana  dia samy nanamafy ny rehetra fa ny tsy fahaizana mampiasa ireo vokatra misy no isan'ny mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eo amin'ireo zaza . Azo raisina ohatra akaiky i Vakinankaratra izay  tena manankarena eo amin'ireo vokatra legioma sy voankazo nefa mbola manana taha avo dia avo . Tsy tokony ho ekana izany hoy ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William fa mila manova fihetsika ny rehetra eo amin'ny fikarakarana ny sakafo . Zava-dehibe ao amin’ny ankohonana mantsy hoy ihany izy, ny fahasalaman’ny zaza satria rehefa salama  ny zaza dia milamin-tsaina ny ray aman-dreny ka afaka misehatra eo amin’ny fampandrosoana.

Nanombohana ny hetsika i Faratsiho satria fantatra ihany koa fa raha ny eto Vakinankaratra dia ity distrika ity no no manana taha avo indrindra eo amin'izay tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka izay. Fanombohana ny zoma teo fa mbola hisy ny fitetezana ireo kaominina rehetra ao anatin'ity distrika ity. Mpiara-miombon'antoka amin'ny fanapariahana ny "Zaza Tomady" ny Ministeran'ny fahasalamana, ny USAID, ny PSI ary ny ONN.

Unité de Communication

 

IMG 4294 IMG 4170 IMG 4179 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation