entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Faratsiho

Vatsin'ankohonana : Nahazo ny anjarany ny Faritra Vakinankaratra

 faratsiho

Tany amin’ny faritra Vakinankaratra indray no nitondran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy ny tetikasa Vatsin’Ankohonana raha efa avy nitety faritra am-polony maro nanerana ny Nosy nandritra ny volana vitsy izao.

Fianakaviana sahirana miisa 746 avy amin’ny fokontany miisa dimy ao amin’ny distrikan’i Faratsiho no notolorana ilay fanampiana ara-bola ao anatin’ny Vatsin’Ankohonana sy Andao hianatra ny fiandohan’ny herinandro teo. Mitentina 32 tapitrisa ariary no atolotra ho azy ireo isaka ny roa volana, izany hoe manodidina ny roa alina hatramin’ny efatra alina eo ho eo no atolotra ho an’ny isam-pianakaviana. Tonga nisolo tena ny fitondram-panjakana nanolotra izany ny minisitry ny Mponina, Realy Onitiana sy ny minisitry ny Fahasalam-bahoaka, profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana. Ankoatra ny fampianarana dia voakasiky ny fiahiana ataon’ny mpitondra ihany ny fahasalamana ka manohana ireo olona marefo tsy afaka manaraka fitsaboana raha tojo tsy fahasalamana ny tetikasa. Raha tsiahivina dia vola mitentina 35 tapitrisa dolara no natolotry ny banky iraisam-pirenena hitondrana fanampiana ho an’ireo olona miisa 320 000 izay tena marefo manerana ny Nosy, 40 tapitrisa ariary kosa no hanatanterahana ilay tetikasa vatsin’ankohonana sy Andao hianatra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Ny faritra atsimon’i Madagasikara izay lasibatra amin’ny tsy fahampian-tsakafo noho ny hain-tany mandavan-taona sedrainy no laharam-pahamehana amin’ireo vola ireo saingy tsy misakana ny tsy hiitarany amin’ny faritra hafa toa izao natao tao Faratsiho izao izany.

Vonimbato R.

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation