entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Mandoto

Fanorenana ny biraon'ny Kaominina Mandoto

11 Février 2018

birao mandoto 1Ny volana may 2018 izao no heverina fa ho vita tanteraka ny asa fanorenana ny birao vaovaon'ny Kaominina Mandoto , izay raha tsiahivina dia simba ary tsy azo niasana intsony vokatry ny horohoron-tany ny 12 janoary 2017 lasa teo. Nanapa-kevitra avyhatrany ireo tompon'andraikitry ny kaominina fa horavana ny birao teo aloha , ka hanangana vaovao .

Dimy volana teo izay no efa natomboka ny asa ary hatreto dia efa tontosa hatrany amin'ny 70 ka hatramin'ny 80 % ny asa. Herimpon'ny kaominina hatreto no nenti-nanana ny asa ary talohan'ny fanombohana dia nisy ny hetsika tsenabe firaisan-kina natao tao an-toerana.
Tsy nitazam-potsiny ny ezaka nataon'ity kaominina ity ny Faritra fa nitondra tohana , dia ny tafo rehetra nanafoana ity birao vaovao ity!
Ny alahady teo dia tonga nijery ny fizotry ny asa tany an-toerana ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka izay sady mpiahy an'i Vakinankaratra , nampanantena ny tenany fa hitondra ny anjara birikiny ho famitàna ity birao mendrika dia mendrika ity.

birao mandoto 4birao mandoto 3birao mandoto 2

U. Comm

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation