entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Mandoto

Mandoto:Tsenabe Firaisan-kina andiany faha 2

25 Mai 2018

tsenabe 1Fahombiazana no azo ilazana azy raha ho anny Distrikan'ny Mandoto tao amin'ny Kaominina Ambanivohitry Mandoto. "Kaominina tsara tantana, vahoaka mandray andraikitra, antoky ny fampandrosoana ifotony "
Naneho ny maha izy azy tamin'ny fanatanterahana ny "Tsenabe Firaisan-kina" andiany faha 2 hampihaoanana ny tolotra sy ny tinady ary nampisongadinana ireo tantsaha nandritra ny 5 andro nanomboka ny 22 ka hifarana ny 27 Mai.


Naitana varotra fampiratiana hanehoana ireo vokatra izay mampalaza ny Distrikan'ny Mandoto ,kialao isan-karazany ary fifaninanana baolina kitra izay nahitana mpandray anjara maro. Raha tsiahivina, ny Tsenabe Firaisan-kina andiany Voalohany notontosaina tamin'ny herintaoana dia nentin'ny kaominina nanombohana ny fanorenana ny Lapan'ny tanàna vaovao. Amin'izao dia ny 85 % ny asa no efa vita ka ny tombotsoa rehetra azo amin'izao Tsenabe andiany faha 2 izao dia entina hamitana ny asa izay mbola tsy vita.
Zava-dehibe ho an'ny Faritra Vakinankaratra ny fanaovana tsenabe tahak'izao ka tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy Ramatoa Prefet Antsirabe sy ny avy ao amin'ny FaritraVakinankaratra.
Midika izao fa fahavononana ,fandraisana andraikitra ao anatin'ny fampandrosoana ara-toe-karena ary fampiankarana ny harin-karen'ny eny amin'ny tontolo ambanivohitra izay mamatsy ny filana andavan'andron'ny antanan-dehibe.

tsenabe 2tsenabe 3tsenabe 4

U.COMM

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation