entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Mandoto

Asa avy hatrany ho an'ny Jeneraly Rakotonarivo Wiliam

crmandoto

Asa avy hatrany ! Ny Distrikan'i Mandoto no nisantaran'ny lehiben'ny Faritra, Jeneraly Rakotonarivo Wiliam, ny fitsidihany taorian'ny nandraisany ny fitantanana ny Faritra Vakinankaratra. Fitokanana biraom-pokontany sy fanolorana fankasitrahana mpianatra mendrika

no nidinany tany ankoatry ny fihaonany nivantana tamin’ny Vahoakan’i Mandoto ny alarobia 9 novambra teo. Tao Mandoto no nanambarany fa isan’ny laharam-pahamehana ho azy ny fanamboaran-dalana ka manana iray volana isanisany ny Kaominina hampiasana ireo fitaovana vaventy an’ny Faritra ka ny Kaominina mahazo tombontsoa no miantoka ny solika amin’izany sy ny tohana ho an’ny mpamily. Mikasika ny fandriam-pahalemana dia nanome toky ny lehiben’ny Faritra vaovao fa manana traikefa amin'izany ny tenany ary vonona hifanampy amin'ny eo anivon'ny prefektiora amin'ny fametrahana izany any amin'ny faritra mena tahaka an'i Mandoto.

Copyright © SobikaMada.com

Programme

zovy

Vakinankaratra

Situation

Situation