entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Mandoto

Tsenabe Firaisankina à Mandoto

24 Mai 2017

tsenabe mandoto3Tsenabe Firaisankina : Tanjona ny hananganana ny birao’ny Commune Vaovao
Tao-trano tsy efan’ny irery ka nanentana ny hery velona rehetra ny Ben’ny Tanana ao antoerana mba hiara-hisalahy aminn’y fananganana ny biraon’ny commune vaovao. Ny teo aloha mantsy tsy azo ampiasaina intsony taorian’ny fandalovan’ny horohoron-tany. Deraina manokana ny fomba fitantanan’ny Ben’ny Tanana satria noho ny fahaiza-mitarika hananany dia efa maro ireo nanolotra fanampiana ho fananaganana ny trano,

raha ny fianakaviany manokana izao dia nanolotra ny biriky 30 000 hanaovana ny trano. Maro tsy voatanisa ireo fikambanana na olon-tsotra na rafitra efa nanolotra kojakojan’ny taotrano maro.
Ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra Jly Rakotonarivo William dia nandray an-tanana ny fanafoana ny trano. Ireo olom-panjakana isan-tokony dia samy nanolotra na koa nampanantena fa hanome ho Firaisankina amin’ny fanaganana ny biraon’ny Commune.
Sambany teto Mandoto no nisy hetsika tahaka izao ary azo ambara fa ho fahombiazana sahady nanomboka ny 24 May ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy ny 28 may. Feno dia feno ny fandaharam-potoana mandritra ireo 5 andro ireo.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny hetsika ny olom-panjakana taty vakinankaratra notarihin’ny Prefetn’Antsirabe sy ny Lehiben’ny Faritra Vakinakaratra, teo ihany koa ireo tale mirahalahy avy any amin’ny Ministeram-panjakana miahy ny fambolena sy ny Fiompiana ary ny tale avy ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

tsena mandoto1tsena mandoto 2tsena mandoto 4
Unité de Communication

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation