entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

Région vakinankaratra : Photos

Mandeha ny asa fampandrosoana, nampiasaina ny fiaraha-miasa tamin'ny tsy miankina

07 Décembre 2017

mandeha ny asa 1Hamafisina kokoa ny hafainganam-pandehan’ny asa amin’ny taona 2018 raha efa nahitam-bokatra izany ny taona 2017.Ambohimpihaonan’ny mpikambana teo anivon’ny GTR na ny Groupe de Travail Régional ny teo anivon’ny Biraon’ny faritra ny marainan’ny alakamsy 07 Décembre lasa teo. Raha ny didim-pitondrana mamaritra ny fitsanganan’ny rafitra dia in-droa isan-taona no manantanteraka fivoriam-be ny GTR ny volana Jiona ary ny Decembre.

Lire la suite...

Région Vakinankaratra :Ahazo Pompier fiaraha-miasa amin’ny Tafika

28 Novembre 2017

pompier2Ho voavaha atsy ho atsy ny olana amin’ny tsy fananana pompier eto Antsirabe – Vakinankaratra, vita ny maraina teo ny fifanekena fifanaovantsonia teo amin’ny Commune urbaine Antsirabe andaniny ary ny Pompier France Madagascar ankilany , nanatrika izao fifanaovan-tsonia izao ny CEMGAM avy ao amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena.

Lire la suite...

Fikaonan-doha iraisam-pirenena "ATN"

06 Décembre 2017

saryflm4Hateloana ny faharetan'ilay fikaona-doha iraisam-pirenena mikasika ny ATN "Ampiasao ny Talentanao" " Use Your Talents " izay atao etsy amin'ny Centre Lovasoa Antsirabe. Vahiny maro avy amin'ireo firenena avy any ivelany , indrindra fa ireo mpisehatra eo anivon'ny Fiangonana Loterana no miara-mikaon-doha amin'ireo manam-pahefana eto an-toerana , ka tanjona amin'izany ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin'ny fiangonana sy ny fanjakana ,

Lire la suite...

Région Vakinankaratra : Voly katsaka avo lenta

22 Novembre 2017

katsaka4Matotra ny fiaraha-miasa eo amin'ny faritra Vakinankaratra , ny foibem-paritry ny fiompiana sy ny fambolena ary ny orinasa AGRIPRO eo amin'ny fanatsarana ny vokatra katsaka eto amin'ny faritra. Vita sonia io maraina io ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny telo tonta hoan'ity fanatsarana ny vokatra katsaka ity , ny katsaka izay isan'ireo lalam-pihariana fototra ao anatin'ireo efatra imasoan'ny faritr amin'izao fotoana izao.

Lire la suite...

MEETFP : Rentrée solennelle 2017-2018

01 Décembre 2017

rentree1Sambany no nandray izany ny taty anivontany , nisantatra izany ny teto Antsirabe . Nitarika ny lanonana Ramatoa TOTO RAHARIMALALA Marie Lydia Ministry ny Fampananan'Asa , ny Fampianarana Teknika , ary ny fanofanana arak'Asa .
Antsirabe no nampiantrano ny fidirana manetriketriky ny taom-pianarana 2017-2018 hoan'ny ministeran'ny fampananan'asa , ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak'asa rehefa avy nitety ny manodidina ny afovoan-tany tao anatin'ny taona maro. "Olo mahay raha tsy very mandeha" io no lohahevitra nentina nanamarihana izany tamin'ity taom-pianarana 2017-2018 ity .

Lire la suite...

Région Vakinankaratra : Fihaonan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy ireo olom-boafidy sy voatendry eto amin’ny Faritanin’Antananarivo

17 Novembre 2017

antenimieran-doholona 2Tonga niarahaba sy nirary  soa  ny Filohan’ny Antenimierandoholona vaovao Rivo RAKOTOAVAO  ireo tompon’Andraikitra voafidy  sy voatendry  eto  amin’ny Faritanin’ Antananarivo , nahitana solontenan’ny Kaominina 315 , Distrika 25 ary ny Faritra 4  ny Talata 14 novambra 2017 tetsy amin’ny Lapan’Anosikely .

Lire la suite...

VIDIM-BARY : Nidina ifotony ireo Tompon'Andraikitra

30 Novembre 2017

vidimbary1Tsikaritra tato ho ato fa tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eny an-tsena, ny vary izay foto-tsakafon'ny Malagasy aloha hatreto na eo aza ireo karazan-tsakafo azo heverina fa azo hanoloana azy. Betsaka ny mety ho antony mahatonga izany fiakaran'ny vidin'ny vary izany , isika raha-teo mandalo ny fotoam-pahavaratra amin'izao fotoana izao.

Lire la suite...

Région Vakinankaratra : CNFAR ( Conseil National de la Formation Agricole et Rurale )

10 Novembre 2017

cnfar 105 taona izay napetraka ny paik'adim-pirenena momban'ny fampiofanana eo amin'ny ara_pamokarana sy arak'asa eny ambanivohitra na ny CNFAR ( Conseil National de la Formation Agricole et Rurale ) ka mandritran'ny hateloana nanomboka ny alarobia 08 novambra izay hifarana ny zoma 10 novambra dia misy atrik'asa

Lire la suite...

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation