entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

Région vakinankaratra : Photos

Soanindrariny : Tsenaben'ny Tantsaha andiany faha-efatra

15 Mai 2018

Tsena 2Tsenaben’ny tantsaha andiany faha-efatra : tanora katolika mandray andraikitra
Ny Kaominina Ambanivohitra Saonindrariny ao anatin’ny distrikan’Antsirabe faharoa no nampiatrano ny hetsika ara-toe-karena Tsenaben'ny Tantsaha andiany faha 4 mandritra ny 2 andro ny 15 sy 16 Mai 2018 izay karakarain'ny FTMTK na ny Fikambanana Tanora Malagasy Tantsaha Katolika.

Lire la suite...

Conférence de presse Z'ovy à Tanà

19 Avril 2018

zovy 1Foara ara-toekarena Z'ovy: Fanoitra ho an'ny Fampandrosoana efa lasa "outil" na fitaovana ho an'ny fampandrosana an'i Vakinankaratra ny hetsika Z'ovy. Efa andiany faha-efatra izy ankehitriny midika izany fa efa manana traikefa ny mpikarakara ary lanja-miakatra hatrany ny fahombiazana.

Lire la suite...

Distrikan'i BETAFO:Lalana 22KM hosokafana ho famoaham-bokatra

06 Mai 2018

1 betafo 4Velom-panantenana ny mponina ao anatin'ny Commune Betafo, Antsoso, Manohisoa ao amin'ny distrikan'ny Betafo, fampandrosoana mivantana miantefa eny anivon'ny vahoaka izay no tanjona. Natomboka ny farany herinandro lasa teo ny fanokafana ny fanamboarana ny lalana mampifandray an'ny ireo commune telo ireo.

Lire la suite...

Ivom-pihofanana ara-pambolena ( REAP )

17  Avril 2018

REAP 2MANANA TOMBONY VAKINANKARATRA AMIN’NY TAMBAZOTRAN’NY IVOM-PIHOFANANA ARA-PAMBOLENA
(17 avril) Vakinankaratra no nandray ny atrikasa iraisam-pirenena faha 4 ho an'ireo tambajotra REAP na ny « Réseau des Etablissements Agricoles Professionnelles » Iarahana amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana ka anisan'ny firenena mikambana ao anatin'izany i Madagasikara.

Lire la suite...

Hanomboka ny 17-18-19 May ho avy izao ny foara ara-toekarena « Zovy » 2018.

04 Mai 2018

1 zovy 1Ho ambohim-pihaonan’ireo tantsaha sy ny mpandraharaha ary ny mpamatsy vola ny fisian’ny hetsika ara-toekarena « Zovy » 2018. Ao andrenivohitr’i Vakinankaratra no hanatanterahana izany ny 17-18-19 May ho avy izao. Miditra amin’ny andiany faha-efatra ity foara ity ka hisongadina amin’izany ny fifanatonan’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Lire la suite...

Fandaharan'asa PEJAA

16 Avril 2018

PEJAA 1Fandaharan’asa PEJAA: Mitodika any amin’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra
Tafiditra ao anatin'ny vina fisandratana 2030 ny tetik'asa fanofanana ny tanora. Asa fiompiana sy fambolena mahomby Madagasikara mandroso no lohahevitra noraisina amin'izao drafitr'asa fiofanana tanora lahy sy vavy andiany voalohany izao.

Lire la suite...

Fanamboaran-dalana

27 Avril  2018

pierre 1hazo aina ny lafiny toekarena amin’ny fanamboarana ny lalana 51 km mampitohy an’i Faratsiho sy Sambaina ary Ambohibary
 Ankoatry ny fanamboarana ny lalana hovitaina tara 51km Mampitohy an’I Sambaina- -Ambohibary ary Ampetsapetsa dia hasiam-panamboarana ny lycée Technique ao Faratsiho,

Lire la suite...

Herinandron'ny rano

07 Avril 2018

Eau 6Herinandron’ny rano : betsaka ireo fotodrafitrasa notokanana
Nahazo tombony ny tao amin'ny Kaominina Andranomanelatra ,distrikan'antsirabe II , tao amin'ny EPP Bemololo izay nahazo foto-drafitr'asa vaovao dia paompin-drano 1 sy ny toeram-pidiovana iray izay fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana

Lire la suite...

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation